FANARARAOTANA ARA-NOFO

Zazavavy kely tsy ampy taona miisa 10, naboridana, nalaina sary....


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Mirongatra ny fanararaotana ara-nofo mihatra amin'ireo zazavavy kely tsy ampy taona eto amintsika.

Ankoatra ireo voaolana dia tsy vitsy ireo misy manakarama mba hanaotao na mivarotra mihitsy. Vokatry ny fihanaky ny fahantrana avokoa no mahatonga izany. Zazavavy kely tsy ampy taona miisa 10 no lasibatra indray tany Toamasina, Faritra Atsinanana. Nasaina niboridana izy ireo hoy ny vaovao, nalaina sary ary nomena 20 000 Ar isanisany. Tsy nijanona teo ity tranga mampalahelo ity fa mbola nisy nanely sy nivarotra ihany koa sarin'izy ireo. Zaza miisa 3 tamin'izy ireo moa no tafatsoaka ka nitantara sy nitoroka ireo mpanao ratsy tamin'ireo Ray aman-dReniny. Tratra tao Ambolomadinika Plle 21/21 afak'omaly Alakamisy 07 Aogositra alina tamin’ny 9 ora moa ireo olona tompon’antoka tamin'izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Lasibatra hatrany amin'ny ankapobeny ireo ankizivavy sy zazavavy eto amintsika 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT