Actualités

Fanararaotana ara-nofo Mody navotany avy eo naolany ilay tovovavy


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Nisy tovolahy iray namoaka filazana tao amin'ny tambajotran-tserasera facebook ny zoma hariva teo fa nisy tovovavy iray somary very saina hitan'izy ireo tetsy Andohatapenaka ary efa nitangoronan'ny olona.

 

 

 

Nisy lehilahy iray nitondra moto ihany koa niaraka nitangorona tamin'ny olona teny amin'ilay toerana ary nilaza fa mpiasan'ny fitsarana ka hanatitra azy amin'ny moto eny amin'ny kaomisaria etsy amin’ny 67ha. Nilaza ilay tovolahy nanao pulication sy ny namany fa hanaraka an'ilay lehilahy nitondra ilay tovovavy tamin'ny moto avy ato aoriana hamonjy ny biraon'ny polisy etsy 67ha. Nolazain'izy ireo tamin'izany fa toa nivily lalana nankany Ampasika ilay moto nitondra ilay tovovavy ka nanomboka teo dia tsy hita intsony izay nalehan'ilay moto nitondra ilay tovovavy rehefa tonga teny amin'ny biraon'ny polisy izy roalahy.Raha vao nahita ilay vaovao moa ny polisy dia efa nanokatra ny fanadihadiana. Nanao ny fikarohana ireto farany nandritra izany ka tratra teny Sabotsy Namehana ilay moto nitondra ilay tovovavy ary nosamborina avy hatrany ilay lehilahy milaza ho mpiasan'ny fitsarana. Fantatra tamin'izany fa tsy naterin'ity lehilahy ity teny amin'ny kaomisaria akory ilay tovovavy fa nentiny nanaraka azy tany Antaninarenina ka ny sabotsy maraina teo no tratran'ny polisy tetsy Sabotsy Namehana izy sy ilay tovovavy .Rehefa natao ny fanadihadiana dia voamarina fa voaolana ilay tovovavy ary ilay lehilahy mpiandry vavahady eny amin'ny lapan'ny fitsarana anosy ilay nahavanon-doza.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT