Actualités

Fanararaotana ara-nofo mamoafady 10%-n’ny tovovavy 15-19 taona no lasibatra


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Ny 10%-n’ireo zatovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona eto amintsika no fantatra fa lasibatry ny fanararaotana ara-nofo.

Ny 45% tamin’ireo tanora tovovavy miisa 1500 raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana iray no fantatra fa voan’izany noho ny fivoarana sy ny firoborobon’ny teknolojia. Saika milalao internet avokoa mantsy ny ankamaroan’izy ireo ka tsy vitsy ireo misy manararaotra noho ny filalaovana facebook….Tokony hohamafisina araka izany ny fanentanana eny anivon’ny Fokontany. Ho an’ny fikambanam-behivavy tsy miankina iray dia misy ny fiofanana omeny ireo mpanentana hahafahana miady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizivavy. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia ilay fivarotan-tena amin’ny internet no tena harato harotsak’ireo tsy mataho-tody hamandrihana ireo tanora tovovavy eto amintsika amin’izao ka tsy vitsy ihany koa ireo roboka noho ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana lalina iainany. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy izao homarihina anio Alarobia moa ity hetsika ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT