Actualités

Fanararaotana amin’ny « mobile money »


  • Zoma 30 Jona 2023

Nampiaka-peo ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa

Diso manararaotra mpanjifa loatra ireo orinasam-pifandraisana miisa telo mikirakira ny fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday (mobile money) eto amintsika. Nampiaka-peo nanoloana izany ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa toy ny PMH sy ny MCI.Etsy ankilan’izay, nambaran’izy ireo fa efa lasa gaboraraka loatra ny fandefasam-bola sy fakana vola amin’ny finday eto amintsika. Toa tsy misy lalàna mazava intsony hoy Atoa Andovola Razafindralambo filohan’ny MCI fa samy manao izay tiany hatao ireo mpanao « cash point ». Samy mametraka izay saran’ny vola tiany alaina ny tsirairay hoy izy raha tokony hisy peta-drindrina mazava mihitsy izany. Ankoatra izay dia nampiaka-peo azy ireo ihany koa ny fisian’ireo cash point sasany hividianana fahana 500 na 1000 Ar dia tsy maintsy misy sarany 100 Ar hatrany hatrany….Nilaza moa ireo mpanao cash point fa mba maty antoka ihany koa izy ireo amin’ny ataon’ireo orinasa miisa 3 ireo koa manaitra ireto farany mba samy ho tonga saina tsy hanararaotra ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa aminy.
Pati
Legende : Tena samy manao izay sarany mety aminy ireo mpanao « cash point » eto amintsika amin’izao.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT