Actualités

Fanararaotam-pahefana Manome vahana ireo mpanao trafika lavanila ilay ragôva


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Nampiteny ny moana ary mampiraviravy tanana ireo mpiara-miasa ambany fahefany ny fanararaotam-pahefana ataon’ilay ragôva iray, amin’ny baiko sy tsindry manome vahana ireo mpanao trafika lavanila.

 

 

 

In-telo miantoana, tao anatin’ny iray volana, teo anelanelan’ny jona sy jolay, ireo tompon’andraikitra amin’ny sakana ara-toekarena na « barrage économique », izay misy solontenam-panjakana sy mpitandro filaminana manara-maso ao amin’ny faritra iadidian-dragôva, no nahatratra mpitondra lavanila izay tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hanangona sy hitatitra. Tsy misalasala ireto mpanao trafika miantso an-dragôva rehefa voasakana. Raha tokony giazana avy hatrany ary potehina sy dorana ireo lavanila tratra tsy manara-dalàna toy izany dia niditra an-tsehatra amin’ny antso an-telefaonina mivantana hatrany ingahy ragôva manome baiko ny hamotsorana ka hamelana handeha ny entana. Manodidina ny 200kg ny lanjan’ny lavanila tamin’ireo tranga telo ireo, ary notaterina tamin’ny moto avokoa. Malagasy maro no nanantena fiovana amin’ny fitantanan-draharaha ny fanjakana taorian’ireny hetsi-bahoaka notarihin’ny Depiote 73 nanomboka ny 21 aprily 2018 ireny, fihemorana miteraka fahadisoam-panantenana no vokany ary ny tranga toy ity ataon-dragôva ity vao mainka mampibaribary izany. J

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT