Actualités

Fanararaotam-pahefana ao Beroroha Feno ny kapoaka, nitory ny vahoaka


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Tsy mahazaka ny fanamparam-pahefana sy ny tsindry hazo lena ataona mpitandro filaminana sy tompon’andraiki-panjakana sasany tsy maty voalavo an-kibo any amin’ny distrikan’i Beroroha,

faritra Atsimo Andrefana, ny vahoaka ka mitroatra ary sahy mitory. Lasibatry ny asan-dahalo nandritra ny telo taona nanomboka ny 2012 no ho mankaty ny  lefitry ny ben’ny tanànan’ny  kaominina ambanivohitr’i Bemavo teo aloha, Atoa Mara Tsitorohy, 67 taona, monina ao Tandrano, ka nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Toliara, ny zoma hariva teo, nampahafantatra ny zava-misy. Raha ny fanazavan’ity lefitry ny ben’ny tanàna teo aloha ity, dia ombiny 200 niampy vola 15 tapitrisa ariary no lasan’ny dahalo. Olona roa no maty novonoin’ny malaso. Raim-pianakaviana nifanena tamin’ny dahalo teny an-dalana ny iray, raha mpanara-dia ny faharoa.

 

Dahalo navosotra, mamaly faty

 

Fantatr’ingahy Mara Tsitorohy tompon’omby ny telo tamin’ireo malaso, satria olona eo an-tanàna ihany, dia Damarison, Zabosa ary Justimo, nefa tsy mety voasambotra hatramin’izao fa misy mpiaro, na dia niaiky ny heloka vitany teo anatrehan’ny manam-pahefana aza ireo malaso ary vonona hanao fanavahana omby araka ny fomban-tany any an-toerana. Nivadika anefa ny raharaha taty aoriana. « Nosoketahina dahalo raindahiny iray nokarohina efa hatry ny ela antsoina hoe : Nolé, milaza azy ho lehiben’ny Kalony ho namono olona ny zanako faralahy ka nitondrany mpitandro filaminana sivy (zandary telo, miaramila enina) hisambotra ny zanako. Ny marina anefa, Ireo dahalo avy nangalatra ny ombiko no namono ireo olona roa ireo », hoy ity lefitry ny ben’ny tanànan’i Bemavo teo aloha ity, latsa-dranomaso.

 

Fanjakana tan-dalàna ?

 

 « Ny nahagaga anay, tsy nentina tany Beroroha natao famotorana ny zanako, fa navily lalana nankany Menamainty lolo, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe, dia nodarohana sy noratraina. Norahonana hotifirina amin’ny basy ihany koa izahay raha tsy manome vola telo tapitrisa ariary sy omby valo raha no 67 nangatahin’ireo mpitandro ny filaminana sivy notarihana « Sous-lieutenant » miaramila sy « Adjudant » zandary. Mbola nalain’ireo ihany koa ny basim-borona », hoy i Mara Tsitorohy. Noho ny fanamparam-pahefana diso tafahoatra nataon’ireto mpitandro filaminana sivy lahy sy lehiben’ny Kalony ireto dia nitory azy ireo ity lefitry ny ben’ny tanàna lasibatry ny asan-dahalo sy tsindry hazo lena ity. Ny borigady misahana ny heloka bevava zandarimaria ao Sanfily Toliara no nanao ny fanadihadiana, raha ny fanazavany hatrany, nefa misy olomboafidy sy tompon’andraiki-panjakana any Beroroha voalaza fa miaro sy manafina an’ireto mpambotry vahoaka ireto. Manoloana izao tranga izao dia manaitra ny sain’ny mpitondra mahefa ity lefitry ny ben’ny tanàna teo aloha ity sy ny solontenan’ny mponina avy any an-toerana nitafa tamin’ny mpanao gazety, ary mangataka « avis de poursuite » amin’ny fanenjehana an’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy sy mpanao « dramitsy » ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT