Ho fanaraha-maso ny sisin-tany na ny sisin-ndranomasina, sy, hisorohana sy hiadiana amin'ireo fandikan-dalàna maro izay matetika ahitana trangana
fanondranana ny harena voajanahary Malagasy dia najoro ny Saiholafy fanaraha-maso ny sisin-dranomasina na "Peloton de Surveillance Côtière” (PSC) ho an`ny zandariamariam-pirenena. Toby iray natao hanaraha-maso ihany koa hanaraha-maso ny fidirana sy fivoahana antsokosoko eto amin'ny tany malagasy, ary fanondranana olona mihitsy aza. Ny sabotsy lasa teo dia notokanana ara-pomba ôfisialy ny PSC ao Ambohitralanana, Distrika Antalaha, Faritra SAVA. Raha tsiahivina dia manana PSC miisa telo ny zandarimaria manerana ny nosy: ity ao Ambohitralanana ity; ny any Tanjona Kaominina Manambolony, Distrika Mananara–Avaratra, Faritra Analanjirofo; ary ny any Ambinagny Kaominina Manantenina, Distrika Taolagnaro, Faritra Anôsy. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana tany an-toerana, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Jeneraly Ravalomanana Richard sy ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, notronin'ireo Tompon'andraikitra ambony, Governora sy Lehiben'ny Distrika, , ireo olom-boafidy, ireo Fikambanan'ny Vadin'ny Zandary (FIVAZA).
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.