Actualités

Fanaraha-maso ny volam-panjakana Nanjakan’ny gaboraraka hatramin’ny 2009


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Tsy nahatanteraka ny asa fanavaozana napetraka nandritra ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2006 amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana ny «Cour des Comptes» nanomboka ny taona 2009, fotoana nitrangan’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Nihantona mantsy ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

Nahenan’ny minisiteran’ny Fitsarana ihany koa ny tetibola fampandehanana ny rafitra fanaraha-maso ny fitantanana ny volam-panjakana. Nifanindran-dalana tamin’io vanim-potoana io rahateo ny gaboraraka amin’ny tsy fanajana ireo lalàna mifehy ny volam-panjakana. Nampanahirana ny rafitra mpanara-maso ny fampiasana ireo volam-bahoaka tanteraka ny firoborobon’ny tsy fanarahan-dalàna nateraky ny tsy filaminana teo amin’ny fitantanana ny firenena nandritra ny krizy. Mitaky fandraisana andraikitra mivantana amin’ny mpitondra fanjakana tan-dalàna ankehitriny ny lokalokany hametraka ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana, hoy ireo rafitra mpanara-maso ny fampiasana ny volam-bahoaka. Ho fanampiana ny governemanta hanarina ireo lesoka rehetra eo amin’io sehatra io indrindra no antony hikarakaran’ny «Cour des Comptes» sy ny tetikasa PGDI andiany faharoa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola miaraka amin’ireo rafi-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny volam-panjakana atrikasam-pirenena momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana ny 13 sy 14 aogositra 2014 eny amin’ny Ivontoerana Fikaonan-doha Iraisam-pirenena Ivato.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT