Manomboka miaina ao anatin’ny hafanana indray isika izao. Misy fiantraikany goavana amin’ny hani-masaka hamidy eny amoron-dalana izany, indrindra fa ho an’ireo mampiasa sakafo misy mayonnaise
Ankoatra ny loto sy ny fampiasana ireo karazana kojakoja tsy araka ny kalitao ilaina mantsy dia miteraka fanapoizinana goavana ho an’ny mpividy izany. Mba hisorohana ny trangan-javatra tahaka izany ary dia arahi-maso akaiky ireo mpivarotra hani-masaka rehetra eto amintsika. Hisy mihitsy ny didim-pitondrana hapetraka isaky ny kaominina raha araka ny fanazavan’i dokotera Razafindramonjy Jean, talen’ny ivontoerana mitily ny kalitaon’ny sakafo eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana mba ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Nisy ny fidinan’izy ireo ifotony teny amin’ny kaominina Talatamaty sy Mahitsy omaly, namoriany ireo mpivarotra hani-masaka sy nakany ny hetahetan’izy ireo. Ao anatin’ny herinandro no hivoahan’io didim-pitondrana io. Hisy ny fepetra horaisina mandritra izany ka ho an’ireo mpivarotra hani-masaka mafy loha dia hisy mihitsy ny sazy omena azy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.