FANAPARITAHANA HORONTSARY MAMOAFADY

Tera-tany vahiny iray tratra tao Mahajanga


  • Zoma 09 Mey 2025

Misy tera-tany vahiny iray 69 taona manao fitadiavam-bola amin’ny fanaparitahana

horonan-tsary mamoafady mahakasika zaza tsy ampy taona, mianga avy ao Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin'ny sampandraharahan’ny Polisim-pirenena Malagasy miady amin’ny heloka an’habaka (Cybercriminalité) sy ny fikambanana Child Rescue Coalition any Etazonia no nahafantarana izany. Rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsaràna tao Mahajanga izy ireo dia niarahan’ny sampana Cybercriminalité avy ao Antananarivo sy ny avy any Mahajanga ny fisavàna ny tranony sy ny fisamborana azy ka tratra tamin’io fotoana io ny solosaina sy ny fitaovana fampiasany nahitàna ny porofo rehetra mahakasika izany. Efa natolotra ny fampanoavana afak’omaly Alarobia 07 May ity tera-tany vahiny ity ka nampidirina am-ponja vonjy maika ao Marofoto Mahajanga. Ankoatra ny famaizana ity tera-tany vahiny ity moa dia tokony hamafisina ihany koa ny fanabeazana sy fanentanana ireo zaza tsy ampy taona ao Mahajanga manoloana ny filalaovan-dratsy tahaka itony. Raha araka ny loharanom-baovao mantsy dia betsaka tokoa ireo ankizy mivelona amin’ity asa ratsy ity ankehitriny noho ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tera-tany vahiny sy ireo fitaovana nampiasainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT