Actualités

Fanapariahana vola sandoka Roalahy tratra tany Mananjary


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny polisy ao Mananjary ny zoma 24 aprily lasa teo noho ny fanapariahana vola sandoka.

 

 

 

 

Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy olona nitondra vola sandoka tao amin'ny fokontany Ambalatany kaominina Andranomavo distrikan'i Mananjary ary nikasa ny hanaparitaka izany tao an-toerana. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ny polisy nanao ny fikarohana sy ny fanadihadihana. Nisy ny velam-pandrika nataon'ny polisy niarahana tamin'ny fokonolona sy miaramila miasa tao an-toerana ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy ireo. Mbola hita teny amin'izy ireo avokoa ireo vola sandoka saika haparitaka. Rehefa natao ny fanadihadihana ireo jiolahy ireo dia fantatra fa mitentina 17.500.000 Ar ireo vola sandoka. Natolotra ny fitsarana ny 28 aprily teo izy roalahy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT