Fanapariahana sary mamoafadin’ny sakaizany

Lehilahy 36 taona nidoboka any am-ponja


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

ny sary sy horonan-tsary mamoafadin'ny sakaizany teo aloha tamin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera Facebook sy Messenger. Voasambotry ny polisy tao Maroantsetra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny anaolahy ary niakatra fampanoavana omaly Alarobia 17 Aprily. Raha araka ny fantatra dia noho ny tsy fahazakana fisarahana no antony nanaparitahany ilay sary sy horonantsary mamofady rehefa nohadihadiana izy. Nidoboka am-ponja vonjimaika moa ny lehilahy ho famaizana azy. Tsiahivina fa maro ny lehilahy manana toe-tsaina tahaka izany ankehitriny. Rehefa nisaraka taminy ny vehivavy iray dia haparitany tahaka izao tranga tany Maroantsetra izao ny sary mamoafady nifanaovan’izy ireo na koa havoakany ny tsiambarantelony. Tena voararan’ny lalana anefa izany no sady tsy mahasoa ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT