Actualités

Fanaparam-pahefana Nidoboka am-ponja ny lehiben’ny fonja


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Taorian’ny fanadihadian’ny Birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga dia nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fonja ao Ambatoboeny rehefa nanome baiko momba izany ny avy eo anivon’ny tribonaly misahana ny ady voalohany ao Mahajanga ny 1 oktobra teo.

 

 Resaka fanamparam-pahefana sy fanodinana fanampiana ho an’ireo voafonja ho an’ny tombontsoany manokana moa voalaza ho anton’ny fiampangana. Manana tanimboly mirefy 300ha ny fonjan’Ambatoboeny. Nahazo alalana hampanofa ampaha-tany ho an’ireo mpamboly ao an-toerana ity lehiben’ny fonja ity, hoy ny fampitam-baovao. Tambin’izay kosa dia tokony dia natokana ho an’ireo voafonja ny 200 kilao isaky ny hektara amin’ireo vokatra. Io no nararaotin’ity lehiben’ny fonja ity ka niafaran’izao raharaha izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT