Actualités

Fanapahana manohitra ny halatra tany ao Nosy Be


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

ara-tany ao Nosy Be Hell Ville izay betsaka no mamofompofona kolikoly sy tsikombakomba avo lenta. Niverina nanatsikafona ny fahitany toe-javatra hafahafa ny mpisolovava Vitta Ruffin manoloana ny ady tany "Issabhay" ao Amboanara fokontany Batterie, nakana tanin’olona tamin’ny alalan’ny « prescription acquisitive » ataona tambajotra goavana. Io taratasy io izay efa nambaran’ity mpisolovava ity fa efa nampiatoan’ny Filankevitry ny minisitra ny 18 desambra 2024 narahina naoty nifandraika amin’izay nivoaka ny 2 aprily 2025 teo, saingy minia manamafy sofina sy tsy misy mandray andraikitra ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. Misy mihitsy ny fanasoketana sy fampiasana sy fisandohana anaran’olona ambony, ary fanaovana tatitra vilana amin’ny ambaratonga samihafa. Manaitra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ity mpisolovava ity amin’izao fandalovan’ireto mpitondra ambony ao Nosy Be izao, ka naneho fa vonona hitondra ny taratasy sy ny porofo rehetra, raha ilaina. « Na eo aza ny finiavana tsara avy amin’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy misy vahaolana mivoaka, ary izahay mahatsapa fa ohatran’ny misy fifanilihana andraikitra eo amin’ny samy Minisitera, samy namoaka naoty. Mangataka izahay amin’izao fandalovan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra aty, ary faly izahay maheno an’izany satria tianay hipoitra ny marina mikasika ity tany ao Amboanara ity », hoy hatrany ity mpisolovava ity. Nanamafy ny tenany fa tena halatra tany ity, ary vonona izy ireo hifanatrika amin’izay milaza ny mifanohitra amin’izany, hitondra ny porofo rehetra ara-taratasy. « Ny mampalahelo anefa dia misy tombotsoan’olona harovana satria samy tsy misy mety mandray andraikitra, kanefa efa navoaka ny naoty, fa mijanona eo ilay raharaha. Na inona na inona fitoriana ataonay tsy misy mandeha. Nisy tany amin’ny Bianco an-taonany tsy hita, nisy tany amin’ny Fitsarana,… Fotoana kosa anefa izao tokony hijerena ny marina, afaka mijery ifotony ny Fanjakana mahefa izay Raiamandreny, afaka mahita maso ny mpitondra satria tatitra vilana no matetika tonga any aminy », hoy hatrany i Maitre Vitta Ruffin. Nanamafy ny antso avo manoloana ny fisiana tambajotrana mafia mpangalatra tany ahitana manam-pahefana ambony amin’ny sehatry ny fananan-tany, fitsarana,… amin’ny resaka halatra tany ao Nosy Be io mpisolovava io, izay naneho fa tena betsaka ny fitarainana na « doléances » mikasika izany ao an-toerana. Very zo tanteraka ireo olona arovana eo anatrehan’ny kolikoly amin’ny resaka fananan-tany, hoy hatrany izy nanaitra sy nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa. Toky R

mamofompofona kolikoly sy tsikombakomba avo lenta. Niverina nanatsikafona ny fahitany toe-javatra hafahafa ny mpisolovava Vitta Ruffin manoloana ny ady tany "Issabhay" ao Amboanara fokontany Batterie, nakana tanin’olona tamin’ny alalan’ny « prescription accusative » ataona tambajotra goavana. Io taratasy io izay efa nambaran’ity mpisolovava ity fa efa nampiatoan’ny Filankevitry ny minisitra ny 18 desambra 2024 narahina naoty nifandraika amin’izay nivoaka ny 2 aprily 2025 teo, saingy minia manamafy sofina sy tsy misy mandray andraikitra ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. Misy mihitsy ny fanasoketana sy fampiasana sy fisandohana anaran’olona ambony, ary fanaovana tatitra vilana amin’ny ambaratonga samihafa. Manaitra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ity mpisolovava ity amin’izao fandalovan’ireto mpitondra ambony ao Nosy Be izao, ka naneho fa vonona hitondra ny taratasy sy ny porofo rehetra, raha ilaina. « Na eo aza ny finiavana tsara avy amin’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy misy vahaolana mivoaka, ary izahay mahatsapa fa ohatran’ny misy fifanilihana andraikitra eo amin’ny samy Minisitera, samy namoaka naoty. Mangataka izahay amin’izao fandalovan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra aty, ary faly izahay maheno an’izany satria tianay hipoitra ny marina mikasika ity tany ao Amboanara ity », hoy hatrany ity mpisolovava ity. Nanamafy ny tenany fa tena halatra tany ity, ary vonona izy ireo hifanatrika amin’izay milaza ny mifanohitra amin’izany, hitondra ny porofo rehetra ara-taratasy. « Ny mampalahelo anefa dia misy tombotsoan’olona harovana satria samy tsy misy mety mandray andraikitra, kanefa efa navoaka ny naoty, fa mijanona eo ilay raharaha. Na inona na inona fitoriana ataonay tsy misy mandeha. Nisy tany amin’ny Bianco an-taonany tsy hita, nisy tany amin’ny Fitsarana,… Fotoana kosa anefa izao tokony hijerena ny marina, afaka mijery ifotony ny Fanjakana mahefa izay Raiamandreny, afaka mahita maso ny mpitondra satria tatitra vilana no matetika tonga any aminy », hoy hatrany i Maitre Vitta Ruffin. Nanamafy ny antso avo manoloana ny fisiana tambajotrana mafia mpangalatra tany ahitana manam-pahefana ambony amin’ny sehatry ny fananan-tany, fitsarana,… amin’ny resaka halatra tany ao Nosy Be io mpisolovava io, izay naneho fa tena betsaka ny fitarainana na « doléances » mikasika izany ao an-toerana. Very zo tanteraka ireo olona arovana eo anatrehan’ny kolikoly amin’ny resaka fananan-tany, hoy hatrany izy nanaitra sy nanao antso avo amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT