Actualités

Fanapahana jiro sy rano “Tsy voakasika ireo nanao taratasy fifanarahana”


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Efa miverina amin` ny laoniny ny fomba fandoavana ny faktioran` ny JIRAMA amin` izao. Midika anefa izany fa azo tapahina ny jiro sy ny rano ho an`izay tsy nahaloa faktiora na eo aza ny olana ara-tsosialy naterakin` ny valanaretina “coronavirus”.

 

 

 

Efa sesilany ny fitarainana ataon` ireo mpanjifa amin`izao. Nitondra fanazavana ny filohan` ny fikambanana mpiaro ny zon` ny mpanjifa (RNDC), Rabetsara Lita, amin` ny maha mpikambana azy amin` ny filankevim-pitantanana eo anivon` ny JIRAMA. “Nampanantena ny fitondram-panjakana fa azon` ny mpanjifa aloa tsikelikely mandritra ny folo volana ny faktiora tsy voaloa noho ny olana ara-bola vokatry ny krizy ara-pahasalamana. Marihana anefa fa tsy iharan` izay fanapahana izay kosa ireo nanao taratasy fifanarahana teny anivon` ny JIRAMA. Ireo tsy nanao izany kosa dia rariny raha tonga hatrany amin`ny fanapahana”. Notsipihany manokana fa ny ankamaroan` ireo nitaraina ireo dia ireo tsy nanao ilay taratasy fifanarahana teny amin` ity orinasam-panjakana ity.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT