Hanomboka ofisialy amin’ity
alatsinainy 28 septamba hatramin’ny 5 oktobra 2026 izao ny dingana voalohany amin’ny fifantenana ny mpamatsy solika vaovao ho an’i Madagasikara, izay hiova amin’ny tapany voalohan’ny 2027, raha ny tanjon’ny Fanjakana. Hifantoka amin’ny fahaiza-manao ara-bola sy ny fahaiza-manao amin’ny fitaterana an-dranomasina ny fanombanana, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoran’afo na ny OMH Cydolain Raveloson. Nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny rojom-pamatsiana, satria miankina amin’ny fanafarana tanteraka i Madagasikara amin’ny solika. Hifantoka amin’ny fanafarana gazoala, lasantsy na « supercarburant » ary ny solika fandrehitra ny « pétrole lampant » ho an’ny tsena anatiny mandritra ny tapany voalohan’ny 2027. Tanjon’ny OMH ny hahazoana mpamatsy afaka manampy amin’ny fitantanana tsara kokoa ny famatsiana, indrindra amin’izao fotoana mbola ahitana fiovaovan’ny vidin-tsolika sy fihenjanana ara-politika sy jeopolitika any Moyen-Orient izao. Amin’izao fotoana izao, ny OQ Trading avy any Oman no mitondra ny ankamaroan’ny solika ho an’i Madagasikara. Hifarana amin’ny faran’ny volana novambra ny fifanarahany, saingy mbola hanohy hatramin’ny faran’ny volana desambra ny fanaterana mba tsy hisy fikorontanana mandritra ny vanim-potoana fifindrana. Tamin’ny alalan’ny antso ho amin’ny tolotra nokarakarain’ny GPM na ny « Groupement des pétroliers de Madagascar » no nifidianana an’i OQ Trading. Vokatry ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny sehatra « pétrolier aval », ny OMH no mandray an-tanana ny fifantenana amin’izao fotoana izao. Midika izany fa miova tsikelikely ny rafitra, ka ny GPM mbola mitazona ny andraikiny amin’ny famatsiana ho an’ny mpikambana, raha ny fanjakana kosa manomboka mitantana mivantana ny fanafarana. Araka ny fanazavan’i Freddie Mahazoasy, sekretera jeneralin’ny GPM: “Ny iraka napetraka amin’ny GPM dia ny hanome antoka ny famatsiana ho an’ny tsena anatiny. Raha mbola voahaja izany, dia mitohy ny asan’ny GPM.” Nampiany fa amin’ny ho avy, ny fanafarana dia ho tantanin’ny fanjakana, raha ny fividianana kosa dia ho ataon’ireo mpikambana manana fahazoan-dalana. Stratejika ho an’i Madagasikara ny resaka solika, izay efa nisy ny karazana ady mangatsiaka teo aloha teo noho ny fidiran’ny Fanjakana tamin’ny fanafarana solika mivantana namatsiana ny Jirama. Ny fanafarana avy any ifotony mihitsy no hiova eto ka asa ihany koa na hijanona any Moyent-Orient, na hifindra toeran-kafa toy ny any Rosia, Nigeria,… izay efa samy nisy resaka nandeha teo aloha? Mbola misy ihany koa ny tsindry avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix ». Ny hirariana dia mba tena hisy fiantraikany miabo ho an’ny vahoaka sy ny toekarena ny fanavaozana apetraka…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.