Actualités

Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

higadrany eny Antanimora aza toy ilay Ramatoa lehibe iray sy ny ekipany mpanao antontan-taratasy tany hosoka ary mivarotra izany aman’olon-kafa. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tany mirefy 2,5 ha ao Ankadibe Fokontany Ikianja Avaratra Kaominina Ambohimangakely misoratra amin'olona efa maty, manana mpandova, no nokasain'ireto olona ireto haodina sy hamidy. Ilay bebe efa 67 taona no natao ho mpandova sandoka.Nanamboarana karapanondro hosoka, nanaovana kopia fahafatesana hosoka, nahavitana fanamarinana maha-mpandova hosoka, izay milaza fa izy irery no hany mpandova an’ilay dadabe tompony efa maty. Tsy fantatr'ireto taranaka tena izy akory anefa ny fisiany. Izy rahateo tsy nisy fifandraisana tamin’ilay tompon-tany akory. Nankinin'ireo mpandova ara-dalàna tamin'ny zandarimaria Ambohimangakely ny fanadihadiana ny fampiasana hosoka noho izany. Tsy miandraikitra ady lova mantsy ny zandarimaria. Sarona ny afera maloto vokatr’izany.Vehivavy izay efa ela nikarohana azy, mpanao hosoka matihanina ihany koa no tratra. Izy no mpanao ireo antontan-taratasy. Efa nahazoan'izy ireo vodiondrim-barotra 1 tapitrisa ariary sy vary 80 kilao moa ilay tany kanjo nihemotra ny mpividy rehefa tojo olana. Natolotra ny fitsarana ny raharaha ka notanana am-ponja vonjimaika (MD) i bebe sy ny namany telo hafa. Tsiahivina moa fa ny 60%-n’ny raharaha mandeha eny amin’ny tribonaly amin’izao raha kely dia resaka ady tany avokoa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT