Fanaovana politika eto Madagasikara

Simban'ny fifampiatsarambelatsihy sy fiombonana sadasada


  • Talata 18 Febroary 2025

Tsy mahagaga raha miverimberina ny krizy politika eto Madagasikara satria ireo mpisehatra

amin'ny politika mihitsy no manome endrika ratsy ny fanaovana politika sy mampiseho ohatra ratsy ho an'ny olom-pirenena. Ny resaka fanabeazana ara-politika dia maivana be aloha ny eto Madagasikara mba tsy ilazana hoe tsy misy. Raha ny tokony ho izy dia ampiarahana amin'ny fanabeazana ny vahoaka mba ho olom-pirenena vanona sy olom-pirenena vonona ny fanabeazana ara-politika fa tsy hoe volana vitsy mialohan'ny datim-pifidianana vao samy mikofokofoka ireo antoko politika manao izany. Etsy ankilan'izay dia anisan'ny tontolo simban'ny fifampiatsarambelatsihy sy fihavanana sadasada ny fanaovana politika eto Madagasikara. Mahay manambatra hery ny mpanao politika rehefa hoe handrodana na haka seza amin'ny alalan'ny fifidianana, fa rehefa avy eo samy tia tena, samy maka ho azy ihany. Dia mandeha ny fanehoan-kevitra toa mifanipaka eo amin'ny samy mpanao politika iray vovonana. Toa samy te hilaza hoe samy henjana. Ny fahitana izany anefa no mahatonga ny olona ho leo politika ary tsy liana intsony manaraka vaovao politika sy raharaham-pirenena intsony. Ny dikany dia ho tahaka izao foana ny eto ary mety hiharatsy aza rehefa tsy manova fomba famindra sy fomba fsainana ary fomba fiasa ireo mpanao politika. Atao ahoana moa no hampizotra tsara ny dia raha ilay mpamily ny fiara no mibilobiloka fandeha no sady miovaova lalana isaky ny mihetsika ?
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT