Actualités

Fanaovana maloto ankalamanjana Efa mihatra ny sazy eto Antananarivo


  • Talata 06 Oktobra 2020

Efa mihatra ny fitsipi-dalàna momba ny fikoloam-pahasalamana na CMH eo anivon’ny Kaominina Antananarivo. Efa amperin'asa ny mpijoko ireo mpivalan-drano ankalamanjana.

 

 

 

Tsy misy azo ialana hoe olombelo tsy akoho, fa avy hatrany dia voafaoka mankany Anosipatrana mandoa vola, raha tsy izany tonga dia miditra “violon”. Efa niely tany amin’ny tambajotran-tserasera ny fampahafantarana avy amin’ny olona voalaza fa efa tratra nampiseho ny rosia nandoavam-bola 5 alina ariary sazy. “Tamin’alahelo no nanomezako azy an’io vola io satria izaho tsy nahafantatra an’io vaovao io, ka tampoka tamiko ary tena poritra tsy zaka intsony dia natao teo. Tsara ilay izy, fa tokony mba ampitomboina ny “WC Public” tompoko satria tamin’ny toerana nahatrararana ahy tsisy na toeram-pivoahana na toeram-pidiovana…”, hoy ny fitantarana. Adihevitra tsy hifankahitana ny CMH, izay mety misy ny lafy tsarany sy lafy ratsy azo iadian-kevitra na ahitsy. Efa lalàna hatramin’izay kosa ny tsy fanaovana maloto ankamanjana, izay tokony tsy hatao na aiza na aiza. Mila fepetra manokana toy ny fametrahana toeram-pivoahana anefa na izany aza. Mila fahatsapan-tena avy amin’ny tsirairay, fa raha handrasana hosaziana sy atao andrimaso vao hanaja ny fahadiovana isika, dia tsy handroso na afaka 100 taona aza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT