Actualités

Fanaovana hosoka Efa miala any koa ny vola Euro sandoka


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Tsy ny vola gasy irery intsony no vitan’ireo mpanao ratsy ny manonta azy ary havadika ho lasa vola sandoka amin’izao fa efa misy mahavita ary hain’ny sasany ihany koa ny Euro.

Vola 500 Euros miisa ireto saron’ny saron'ny zandarimariam-pirenena misahana ny seranana iraisam-pirenena Ivato afak’omaly 02 mey rehefa saika hatakalo tao anaty seranana sy nentina nisolokiana. Miisa 5 ireo niray tsikombakomba tamin’izany izay fantatra fa efa natolotra ny fitsarana ary efa maka saina eny amin’ny fonjaben’Antanimora avokoa. Vehivavy miisa roa kosa no mbola karohina fatratra hatramin’ny omaly hariva nahazoanay ny vaovao izay fantatra fa anisan’ny ati-doha tamin’ny fiketrehana ireo fitaovana nanatontana ireo Euro sandoka ireo….Eto Antananarivo renivohitra izy ireo raha araka ny fantatra ary efa tena be ati-doha amin’izany mihitsy. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Tokony ho mailo ihany ireo Malagasy mikirakira Euro eto amintsika noho izany fa efa misy sandoka koa izy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa misy sandoka koa izao ny Euro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT