Actualités

Fanaovana fihetsika mamoafady Nadoboka any Tsiafahy ilay tovolahy


  • Talata 13 Oktobra 2020

Any Tsiafahy no niafaran’ilay tovolahy tratra nanolana, nanao fanararaotana ara-nofo sy ara-tsaina ary nanaparitaka izany tao amin'ny tambajotran-tserasera Facebook,

 

 

 

kaonty Lee Stuvene Landot Craya’, taorian’ny fanadihadiana nataon'ny sampana miady amin'ny fandikan-dalàna ana habaka na « cybercriminalité » an'ny Zandarimaria, ka natolotra ny fampanoavana eto Antananarivo omaly, hoy ny fampitam-baovaon’ity sampana ity. Niaiky izy fa nanao ireny fihetsika ireny ary nanaparitaka izany tamin'ny Facebook saingy noheveriny fa tsy nisy ny fanolanana. Fantatra fa efa mpifanerasera amin’irony vondrona mpizara horonantsary mamoafady irony izy. Anisan'ny vesatra anenjehana azy, izay voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana sy ny lalàna mikasika ny fandikan-dalàna ana habaka ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona, famoronana sy fanaparitahana sary mamoafady maneho zaza tsy ampy taona, fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Tsy manana rohim-pihavanana amin'ilay zaza ity tovolahy 26 taona ity fa mpifanolo-bodirindrina aminy. Manaraka fitsaboana sahaza azy ilay zaza, araka ny toromariky ny mpitsabo. Raha tsiahivina dia ny 9 oktobra 2020 izy no voasambotra noho ny fiaraha-mientan'ireo sampan'asa maro eo anivon'ny Zandarimaria sy ny fanomezam-baovao avy tamin'olona tsara sitrapo, hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Raha ny fandikan-dalàna ana habaka fotsiny dia 2 hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 2.000.000 Ariary hatramin’ny 10.000.000 Ariary no sazy miandry ny mpandika lalàna toa azy. Ny sazy amin’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona dia mety hiafara hatramin’ny asa an-terivozona mandra-pahafaty, hoy hatrany ny fanamarihana. Niantso ireo ray aman-dreny mba hanara-maso ny zaza tsy ho tra-doza toa ireny moa ny zandarimaria.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT