Fanangonana sy trafikana sokatra

Sinoa 2 nidoboka any Tsiafahy


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Teratany Sinoa miisa 2 indray no fantatra fa tratra teny Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

nanangona sokatra kasaina haondrana an-tsokosoko mankany ivelany. Ny datin’ny Alahady 02 Febroary lasa teo no nahatrarana azy roalahy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny olona tsara sitrapo no nahatratrarana azy ireo. Sokatra karazany roa kosa nahitana ny astrochelys Yniphora miisa 6 sy Astrochelys radiata miisa 11 ireo tratra tao aminy niampy jabihy na baobab nains izay zava-maniry arovana mafy koa eto amintsika. Fantatra tao anatin'ny fanadihadiana natao azy ireo fa efa mpanao ity asa ratsy ity izy roalahy ireto ary efa mpamerin-keloka. Efa nifonja teto Madagasikara ny iray noho ny resaka fanondranana sokatra an-tsokosoko hatrany. Efa eny Tsiafahy moa izy roalahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy efa maka saina any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT