FANANGANAN-TSAINA

Malaina ny ankamaroan’ny vahoaka


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Dimy andro eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona,

tsingerin-taona niverenan’ny faha-64 taona nijoroan’ny foloalin-dahy isika. Hatreto dia mbola vitsy ireo tokantrano hita sy tazana manangan-tsaina, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Ireo biraom-panjakana sy sekoly maro samihafa ihany no tazana manao izany amin’ny ankapobeny. Ny ankoatra izay dia zara raha misy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra sainam-pirenena iray dia tena malaina ny olona mividy sainam-pirenena na dia efa 3000 Ar dia efa mahazo iray amin’izany. Raha efa mahalafo saina dimy isan’andro izy ireo rehefa ankatoky ny fety tahaka izao tamin’ny taon-dasa raha kely dia maro amin’ireo mpivarotra no tsy mahavaky laovy akory amin’izao. Toraka izany koa ny kilalao izay tena mampitaraina fatratra azy ireo.Tsy misy mpividy fa ny mpanontany no betsaka. Raha fehezina ny zava-misy dia tena sahirana ny Malagasy. Tsy ao anatin’ny kajin’ny isan-tokantrano intsony izany hanao fety izany indrindra moa fa ny hanokana teti-bola hividianana saina, arendrina, hividianana vorona hatao laoka…. Rehefa tonga fotsiny ny fety dia tsy maintsy hatrehina miankina amin’izay eo am-pelatanana.
Pati
Legende : Ireo biraom-panjakana amin’ny ankapobeny no tena manangan-tsaina tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT