Olana goavana eto Madagasikara ny sehatry ny fananantany. Io rahateo no nahatonga ny fanenjehana sy fanonganana ny fitondrana Ravalomanana nanomboka tamin’ny taona 2008
Nankalazain’ireo mpanongam-panjakana mantsy fa nivarotra tany tamin’ny vahiny, Daewoo, ny mpitondra fanjakana tamin’izany. Tsy voavaha anefa hatramin’izao ny olan’ny fananantany teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Niha nahazo vahana rahateo ny fanalana ireo mponina amin’ny tany nipetrahana efa an-taonany maro sy fandrodanana trano tao anatin’ny fitondrana tetezamita lavareny. Ankehitriny dia miara-miaiky ny rehetra fa fototra tsy maintsy iaingana ny fanavaozana fananantany natomboky ny fitondrana notarihan’ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc. Nifototra tamin’ny sehatra 4 goavana ireo asa notontosaina ho fanatsarana azy io napetraka tamin’ny taona 2005 dia ny fametrahana sampandraharaha ara-pananantany mifanaraka amin’ny toetrandro, ny fanapariahana ny fitantanana azy, ny fanavaozana ireo lalàna mifehy ny fananantany ary ny fampiofanana ireo asa mifandray aminy amin’ny alalan’ny fandaharanasam-pirenena. Mila miharitra hatramin’ny volana febroary 2015 moa ny vahoaka Malagasy izay fe-potoana napetraky ny fitondrana Rajaonarimampianina hananan’i Madagasikara politikam-pananantany mifanaraka amin’ny politika ankapobem-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.