Anisan’ny noresahana ihany koa tao Mahazoarivo nandritra ny filankevitry ny governemanta ny fandrafetana ny kaomisiona manokana manadihady ny olan’ny fananantany eto Madagasikara na(commission d’enquete parlementaire)......
Raha tsiahivina dia efa nisy ihany izy io teo aloha teo izay notarihan’Atoa Naivo Raholdina saingy nangingina. Iaraha-mahita mantsy tato ho ato fa nafotaka ny olana naterak’ity resaka fananantany ity, ary anisan’ny mbola mitana ny sain’ny vahoaka maro eto Madagasikara sy saropady eo amin’ny fiarahamonina mihitsy izy io. Tsy afaka ao an-tsain’ny maro ilay fandravana trano niseho tetsy Ankadimbahoaka ka nangalan’ny orinasa vahiny ny tany teny. Maro tamin’ireo vahoaka rava trano ireo no nitaraina saingy ny fanjakana indray no nialangalana ary toa heverina aza fa nanome rariny ireo vahiny ireo. Marihina fa misy ny lalàna mazava mifehy io resaka fananantany io saingy ny fampiharana azy no goragora na misy mandika vilana tanteraka. Misy lalàna miteny fa ny tany izay nohajariana mihoatra ny roapolo taona ka tanim-panjakana dia lasan’izay nanajary azy. Tsy hita taratra anefa izany raha ny politikan’ny fananantany eto Madagasikara no jerena. Azo lazaina ary fa tsy mahazo rariny ny vahoaka madinika mahakasika ity resaka ity satria dia atody miady amam-bato izy ireo noho ny tsy fahafantarany mazava ny lalàna mifehy ny fananantany. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fanentanana matotra ny amin’ny tokony hataon’izy ireo na dia eo aza ny birao ifoton’ny fananantany, fa ny rafitra enti-mandrindra ny politikan’ny fananantany no mila atao mazava tsara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.