Manana vina ny hanatsara sy hampivoatra hatrany ny asa sosialin’ny mponina, izay eo ambany fiadidiany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.
Anisan’izany ny fampidirana ny ankizy hianatra satria dia izy ireo no hoavin’ny firenena. Ny alakamisy 19 oktobra 2017 dia nomarihana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny DAS (Direction de l’Action Sociale) eny amin’ny BMH Isotry ny fampidirana ny ankizy hianatra. Ankizy 120 avy amin’ireo fianakaviana tena marefo sy mpirenireny an-dalambe teny amin’ny fokontany Anatihazo, Ambodin’Isotry, Anosibe, Andavamamba, Manarintsoa, no notoloran’ny CUA sy ny UNICEF kitapo sy fitaovam-pianarana. Ankoatra izay, naloan’izy ireo ihany koa ny saram-pianarana’ireo ankizy ireo. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CUA, hisy ireo mpisehatra ara-tsosialy miisa 20 hanara-maso ny fianaran’ireto ankizy ireto mba hahafahan’izy ireo mamita ny taom-pianarany an-tsakany sy an-davany. Hampanaovina fiofanana manokana mba hahafahan’izy ireo mampivoatra ny fari-piainany ihany koa ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo. Ny tanjona amin’ny hetsika dia ny hanasorana azy ireo ao anaty fahasahiranana. Tsy mijanona hatreo fa mbola hitohy hatrany ny fampivoarana ny sosialin’ny mponina eto anivon’ny fari-piadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.