Mbola mikatona araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena ny alahady alina lasa teo hoy izy ny zotra nasionaly ary mbola tsy azo atao ny mivoaka sy miditra an’Analamanga.
Nanamafy izany koa ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny toetr’andro omaly raha nanamafy ireo fepetra noraisaina mikasika ny fitaterana. “Mbola tsy miasa ihany koa ny fitateram-bahoaka rehetra saingy ny fiara karetsaka kosa no afaka miasa ihany ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana” hoy ihany ny Minisitra. Malalaka kosa ny fivezivezena ho an` ny fitaterana entana saingy ferana ho olona roa, (mpamily sy mpanampy azy ihany) no afaka mitatitra izany. Tsy miova ihany koa ny môto fa afaka manao taingin-droa hoy ny Ministra, ary olona voamarina fa ao anatin’ny fianakaviana ihany no afaka manao izany. Tsy mbola azo atao koa ny mitondra razana. Ankoatra izay rehetra izay, dia nambaran’ny minisitry ny Fitaterana omaly kosa fa tokony hisoratra anarana any amin’ny masoivoho misy azy, na ao amin’ny tranokalan’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, ireo Malagasy taraiky any ampitan-dranomasina ka te hody satria efa misy ny lamina napetraka. Momba ny fiatoan’ireo taksibe kosa indray dia nanazava hatrany ny Minisitra fa anisan’ireo olona very asa noho ny fihibohana ny mpamily taksibe sy ny mpanampy azy ka izany no nanaovana ny fanavaozana ireo lisitra momba ny fizarana fanampiana, hahafan’izy ireo misitraka ireo Vatsy Tsinjo na Tosika Fameno, avy amin’ny fitondram-panjakana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.