Firenena miisa 15 miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay no nandray anjara tamin’ny alalan’ny “visio-conference” nokarakarain’ny AFCNIDH na ny fikambanan’ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny
zon’olombelona aty amin’ny tany miteny frantsay. Isany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny CNIDH. Antony dia firenena miisa 19 amin’ireo 55 mivondrona ao amin’ny vondrona Afrikanina no efa nanafoana ny lalana fanamelohana ho faty ao aminy. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny 10 desambra 2014 no nankatoavin’ny antenimieram-pirenena ny lalana 2014/035 manafoana izany. Na izany aza anefa dia miseho amin’ny endriny hafa toy ny Dina izany eto amintsika. Soson-kevitry ny CNIDH, noho izany, ny tokony hametrahana ny atao hoe dina alahatra ifanarahan’ny rehetra izay mifantoka amin’ny famaizana tsy miafara amin’izay vono olona izay, izay misy vokatry ny tondro molotra fotsiny. Azo lazaina ho nihena izay fanamelohana ho faty izay ho an’I Afrika satria raha nahatratra 1000 isa, ohatra, ny didy nivoaka momba izany ny taona 2017 dia ny 67 ihany no notanterahana. Ny 37%n’ny fanamelohana ho faty maneran-tany kosa dia aty Afrika avokoa, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.