Hiverina hamoaka pasipaoro diplomatika sy pasipaoron’ny mpiasam-panjakana vaovao indray ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny satria dia fijaliana ny an’ny mpiasam-panjakana mamita iraka any ivelany tao anatin’izay herintaona izay, raha ny fanazavana.
Ny volana jolay 2016 no tapitra tanteraka ny pasipaoro natokana ho azy ireo na ny “Passeport de service”. Na iraky ny fanjakana aza no alehany any ivelany dia voatery mandeha amin’ny pasipaoro tsotra izy ireo ka lasa mitovy amin’ny olon-tsotra ihany rehefa hamita iraka, izany hoe milahatra rehefa haka visa, mameno ny fepetra rehetra takiana rehefa hiampita, ary ny tena goavana dia lasa mandoa ny saran’ny visa izy ireo rehefa voahiraky ny fanjakana hamita iraka any ivelany.Tafapetraka omaly alakamisy 26 oktobra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny ivontoerana fanamboarana pasipaoro diplomatika. Ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady ary ny praiministra Solonandrasana Olivier Mahafaly no nisantatra ny fanamboarana. Mpikambana maro tao amin’ny governemanta no nanotrona ny lanonana. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka, dia hiaka farany amin’ny resaka biometrika ny teknolojia ampiasaina amin’io, ary mendrika ireo iraka miisa 1200 isan-taona. Raha ny fanzavana ara-teknika kosa dia misokajy roa mazava tsara ity resaka pasipaoro vaovao ity, ka eo aloha ny pasipaoro diplomatika natokana ho an’ny olona ambony, toy ny filoham-pirenena sy ny ireo olom-panjakana hafa, raha tsy hilaza afa tsy ireo mpikambana eo anivon’ny goverenamanta. Eo ihany koa ny “passeport de service”, izay natokana ho an’ny olona mamita iraka miaraka amina olona ambony, izay natao manoloana ny hamehana. Ny volana jolay 2016 no tsy nisy intsony ny “Passeport de service”. Na iraky ny fanjakana aza no aleha any ivelany dia voatery mandeha amin’ny pasipaoro tsotra, ka lasa mitovy amin’ny olon-tsotra ihany rehefa hamita iraka, izany hoe milahatra rehefa haka visa, mameno ny fepetra rehetra takiana rehefa hiampita, ary ny tena goavana dia lasa mandoa ny saran’ny visa izy ireo rehefa voairaky ny fanjakana hamita iraka any ivelany. Sarotra, araka izany, ny pitsopitsony amin’ny fanamboarana ireny pasipaoro avo lenta ireny. Manamora sy natao hisorohana na hampihenana ny fahasahiranana ny nanokafana an’ity ivontoerana eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ity. Mifanaraka tsara amin’ny fenitra iraisam-pirenena izy ity, izay manamarika ny fiezahantsika hanaraka ny lenta iraisan’izao tontolo izao.
Toky R sy Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.