Fanamboarana ny moron’ny « Canal c3 »

Mpivarotra an-jatony tsy maintsy nesorina


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Olona an-jatony no tapaka sotro fihinanana rehefa nivarotra manamorona iny Canal C3

mandalo eny amin’ny 67 ha iny efa ho tapa-bolana izao. Tsy afaka mivarotra intsony mantsy izy ireo noho ny asa tsy maintsy hatao hanajariana ny sisin’ilay lakan-drano izay efa vita hatrany amin’ny 70 % hatreto ny sisiny. Voatery mijanona any an-trano na mitady zavatra hafa hatao mba hidiram-bola ny ankamaroan’ireo fianakaviana ireo vokatr’izany. Ampahany 6 km amin’ny 12 km no tsy maintsy harenina, tafiditra ao anatin’ny asa fanadiovana ity lakan-drano ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mbola hitohy eny amin’ny 67 ha manakaiky ny CENAM ity asa fanajariana ny lakan-drano C3 ity hiarahana amin’ny tetikasa Produir sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Fanahian’ireo mpivarotra voakasika mafy noho izany ny mety hisian’ny mpivarotra vaovao izay hisongona azy ireo aorian’ny fahavitan’ny asa. Tsy vitsy mantsy ny tranga tahaka izany efa niainan’izy ireo teto amintsika koa hampitandreman’izy ireo ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Nofefena tahaka izao ilay toerana fivarotan’ny mpivarotra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT