Fanomezana asa tsy misy tolo-bidy na « marché gré ŕ gré » no nahazoan’ny cabinet SOI ny fanamboarana ny Lapan’ny tanŕnan’Antananarivo. Tsy fantatra ihany koa na nahazo na tsia ny fankatoavana avy amin’ny vaomieram-paritra misahana ny ‘marché’ eto amin’ny faritra Analamanga ny kabinetra niandraikitra izany.
Tany am-piandohana dia novinavinaina ho 8 arivo tapitrisa ariary ny fanarenana ity foto-drafitrasa ity. Tsy voasoratra tao amin’ny tetibolan’ny kaominina 2008-2009 moa ity fanamboarana ity. Ny Minisiteran’ny fanapariaham-pahefana rahateo no nanome ny ampahany betsaka ho amin’ny fanamboarana, eo amin’ny 5 arivo tapitrisa ariary, raha arivo tapitrisa no nomen’ny kaominina. Teo anelanelan’izany anefa dia fantatra fa tsy mbola voaloa ny volan’ny orinasa niandraikitra ny asa tamin’ny fotoan’andron’ireo mpitondra teo aloha. Araka ny fanadihadiana, ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa dia namoaka didim-pitondrana ny filohan’ny delegasiona manokana namerina ny tsena amin’ity kabinetra ity. Tsy mbola nivoaka teo anivon’ny trésor anefa ny volan’ity orinasa ity hatramin’izao satria tsy nahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ilay vaomiera voalaza tery ambony izy, tamin’ity dingan’asa faha-2 ity. Vokany, nandefa taratasy teo anivon’ny Minisiteran’ny vola Ingahy Pds mba handoavana ny volan’ny orinasa. Andrasana, araka izany, izay ho valin-tenin’ny avy ao amin’ny ministeran’ny vola. Raha ny fanadihadiana dia mety ho sarotra ihany ny hanome fahafaham-po ny kaominina sy ny Pds satria tsy nahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ny vaomieram-paritra misahana ny ‘marché’ eto amin’ny faritra Analamanga. Tsara ny manamarika fa marobe tokoa ireo fanaovan-javatra mandeha tsy araka ny tokony ho izy intsony ankehitriny, anisan’izany ny firongatry ny fanaovana asa tsy misy tolo-bidy izay tsy fanao loatra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.