Maro ny manomboka manontany tena momba ny fiavian’ny vola hanatanterahan’ny fitondram-panjakana ireo fampanantenana maro be ambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina isaky ny mihetsika ireto. Raha ny tokony ho izy mantsy dia izay voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ihany no azon’ny fanjakana ampiasaina......
Hatreto anefa dia mbola ny tetibola lany nandritra ny fitondrana tetezamita no eo am-pelatanana ary tsy mbola nisy ny lalàna fanitsiana ny tetibola tonga teny amin’ny Parlemanta. Raha tsorina ny resaka dia mbola ny tetibola tsy misy ny fandaharanasan’i Hery Rajaonarimampianina no miasa izao. Ingahy filoha anefa mampanantena fa hanamboatra lalana tany Morondava sy tany SAVA, ankoatra ny efa natao sy notokanana tao Toamasina. Ny praiminisitra ihany koa milaza fa hanamboatra hopitaly, misy ny lalambe migodana lazaina fa hamboarina manodidina an’Antananarivo. Fotodrafitrasa goavana avokoa izany fa avy aiza ny vola ?
Hiandry ireo mpamatsy vola mahazatra sa hiroboka any amin’ny volaben’ny Sinoa ?
Mandeha ny resaka fa mety hiverina eto amintsika indray ny “financement parallèle” satria misy Sinoa milaza fa vonona hanome na hampindrana vola ny fanjakana Malagasy. Sa ve ny vola avy amin’ny famarotana ireo boaderozy tratra tany ivelany no ampiasaina ? Etsy an-kilany anefa, mbola te hiaraka hiasa hatrany amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena izay tena mitsipaka marindrano io famatsiam-bola hafa kely io ny fitondrana. Vaky loha ny ao an-dapa ny amin’ny hoe : fa inona ary no atao ? Hiandry ny famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ve sa hiroboka any amin’ny volaben’ny Sinoa ? Raha miaraka amin’ny FMI sy ny ekipany dia tsy maintsy ho avy ihany ny fampihenan-danja ny Ariary, hofoanana miandalana ny “subvention” ataon’ny fanjakana amin’ny vidin-tsolika ary tsy maintsy ny vidin’entana tena izy no ampiharina. Hidangana izany ny vidin’entana. Raha hiditra amin’ny “financement parallèle” dia azo antoka fa tsy maintsy hikatsaka ny tombontsoany eto koa ilay mpanambola ka na hitrandraka harena ankibon’ny tany na hividy tany hanaovany zavatra eto. Efa tonga kosa angamba ny fotoana hanambaran’ny fanjakana mazava ny tena tiany hatao fa tsy ampanantenaina foana ny vahoaka kanefa ny vola enti-miasa aza tsy mazava sy tsy fanta-piaviana akory.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.