Fanambin’ny PDS hanadio anaty 10 andro

Nitsangatsangana fotsiny izany ny ben’ny tanàna teo aloha…


  • Talata 12 Martsa 2024

Nametraka fanamby ny filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo vaovao,

Richard Randriamanambitana, fa hodioviny anaty 10 andro ny tanànan'Antananarivo ary tsy maintsy vitany izany. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao ankehitriny hoe raha azo atao izany ny manadio ny tanàna ao anaty 10 andro, inona no nataon'ilay ben’ny tanàna nipetraka teo nandritry ny 4 taona mahery, izany hoe manodidina ny 1800 teo? Nilalao ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny tanàna fotsiny ve izany sa nihinana ny volan’ny vahoakan’Antananarivo? Angamba azo fehezina amin’ny hoe nitsangatsangana nandritry ny 5 taona latsaka fotsiny izany ny ben’ny tanàna teo aloha raha toa izany fanamby izany ka ho vitany tokoa fa dia miandry ny vokatra sy fomba fiasan’ny PDS vaovao tokoa moa. Fanontaniana mipetraka koa nefa etsy ankilan’izay ny hoe sao dia niniana tsy nodiovina mihitsy i Antananarivo mba hahafahan’ity loholona teo aloha volomboasary ity manao asa tapi-maso tahaka izany? Raha mba vita ao anaty 10 andro koa izao ny lalana rehetra dia tena hanomezana tehaka mirefodrefotra azy, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT