Actualités

Fanambaram-pananana Tsy nanao ny 32%-n’ny olom-panjakana


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Miroso amin’ny dingana fampiantsoana ireo mpitondra voasokajy ho mpandika lalàna ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-Corruption) ankehitriny, hoy ny tale jeneraliny Andriamifidy Jean Louis.

Nifarana ny 31 aogositra teo mantsy ny fe-potoana famindram-po ho an’ireo manampahefana tsy nahavita fanambaram-pananana. Nanana roa volana ireo olom-panjakana tsy mbola nahatontosa taorian’ny taratasy fampahatsiahivana hanao ny azy, araka ny fanazavany. Ny 68%-n’ireo sokajin’olona voakasiky ny fanambaram-pananana no nanaja ny lalàna velona, hoy ity lehiben’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly ity. Laharana voalohany amin’ny fandikan-dalàna ireo Ben’ny tanàna sy lehiben’ny Faritra. Fonksionera mitana toerana ambony kosa ny laharana faharoa miaraka amin’ny salan’isa 46% arahin’ireo lehibe mpibaiko manamboninahitra eo anivon’ny tafika Malagasy (40%). Hita ao anatin’io lisitra io ihany koa ireo Parlemantera depiote 2 sy senatera 3. Sazy miandry ireo olom-pitondrana tsy nanao fanambaram-pananana ara-potoana moa ny fampidirana an-tranomaizina 6 volana hatramin’ny 5 taona miaraka amin’ny lamandy 50 hatramin’ny 200 tapitrisa ariary, araka ny voalazan’ny lalàna.

 

Nangonn-dRamano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT