Takiana amin’ny tomponandraikitra ambony amin’ny fitantanana ny firenena ny fanaovana fanambaram-pananana apetraka eny amin’ny BIANCO. Lalŕna no mamaritra izany. Hatramin’ny omaly zoma 04 jolay 2014 dia miisa valo ireo minisitra nanatanteraka izany,.......
ary mitsitaitaika ny fahatongavany teny Ambohibao. Raha mbola mihazohazo ny praiminisitra dia nanatitra an-tanana ny azy ny Minisitry ny Mponina, Johasy Eléonore. Tamin’ny 18 jona ny azy no nateriny. Nanaraka azy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Paul Rabary, ny 19 jona, ny Minisitry ny Jono sy ny Harena an-dranomasina, Ahmad, 01 jolay 2014, ny Minisitry ny Toekarena sy ny teti-pivoarana, ny jeneraly Raveloharison Herilanto, 02 jolay 2014. Nampanatitra ny azy ny Minisitry ny Fitantanam-bola, Jean Razafindranovona, ny 03 jolay 2014 raha omaly kosa an’ny Minisitry ny Fizahantany, Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, ny Minisitry ny Asa vaventy Roland Ratsiraka ary ny Minisitry ny Asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu. Tsiahivina fa araka ny andininy 183.2 (vaovao) amin’ny lalàna 2004-030 tamin’ny 9 septambra 2004 dia “Hosaziana enim-bolana hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 10 tapitrisa Ar hatramin’ny 40 tapitrisa Ariary, izay rehetra tsy maintsy manao fanambaram-pananana, aorian’ny 2 volana nanaovana fampatsiahivina amin’ny fomba ivelan’ny fiantsoana ara-pitsarana nomena mivantana ny tenany, ka minia, tsy manao izany fanambarana izany na manao fanambarana tsy feno, tsy marina na diso, na nanao fanamarihana diso, na ninia nadika ny adidy aman’andraikitra izay nandidian’ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika fampiharana azy”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.