Actualités

FANAMBARAM-PANANANA Nanao be fiavy teny amin’ny Bianco ny mpitsara tao Toamasina


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Raha ny tarehimarika eo anivon’ny Bianco Toamasina, dia mitana ny laharana voalohany amin’ny “fanaovana kolikoly” ny seham-pitsarana ao Toamasina, raha ny tatitra nivoaka farany. Vokany nihetsika izy ireo notarihan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony Atoa Ramananjatovo Harison Henri,

mpampanoa lalana ambony Atoa Andriamihangy Georges Florence, ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Atoa Rafanomezantsoa Honoré ary ny mpampanoa lalana ny repoblika Atoa Andrianjaka Soustene; nanao rodom-be nanatitra ny fanambaram-pananan’izy ireo, teo anivon’ny talem-paritry ny Bianco ny Kly Rabearisoa Emile omaly. “Ny lalàna no manery anay hanao ny fanambaram-pananana, ka amin’ny maha-mpitsara sy amin’ny maha-mpametraka ny tany tan-dalàna anay, dia maintsy nataonay izao”, hoy Atoa Ramananjatovo Harison. Nomarihany hatrany, fa ny filazana aloha hoe tena ahitana ny kolikoly ny eo anivon’ny fitsarana dia ny tsirairay no mahita an’izany, satria filamatra napetraky ny fitsarana ambony misahana ny mpitsara ao Toamasina sy hanomezana naoty azy ireo, dia ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny fisahanana ny antontan-taratasin’ady ary ny famoahana ny didy araka ny rariny sy ny lalàna. Ankoatra izay, dia isany olana goavana mahatonga ny resa-be ny raharaha ady madio (affaires civiles) indrindra ny ady tany; tsy miankina amin’ny mpitsara anefa izany fa ny lalana no mahatonga ny fahelan’ny famoahana ny didy, “samy ho hitan’ny havany eo ireo mpitsara manao tandrevaka ny asany”, satria misy foana ny fitarainana, ka mivoaka eo hatrany ny marina avy eo. Nahavita ny azy ny fitsarana ambony sy fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ary fitsarana ao Moramanga. Miandry fotoana malalaka kosa ireo mpitsara ao Vatomandry, Ambatondrazaka ary Maroantsetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT