Kinga fihetsika ny ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana raha mbola misy minisitra mihenahena hatramin’izao.
Rehefa avy nanatitra ny fanambaram-pananany teny amin’ny Bianco ny minisitra Narson Rafidimanana dia ireo mpiara-miasa akaiky aminy indray no nanao izany omaly. Teo ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, ireo tale jeneraly, ny tale isan-tsokajiny. Ho fanajana ny lalàna voalohany indrindra no anton’izao fihetsika izao sy ho fampiharana ihany koa ny ady amin’ny kolikoly ny mangarahara ary ny fanjakana tsara tantana. Resy lahatra ireo tompon’andraikitra ao amin’ity minisitera ity fa tokony haneho ohatra tsara mba hanentanana sy hampianarana ny olom-pirenena ny manampahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.