Actualités

FANALEHIBIAZANA FILAHIANA Lasa tian’ny mpivady malagasy


  • Zoma 22 Aogositra 2014

Lasa tian’ny mpivady malagasy ihany koa amin’izao ny manalehibe filahiana raha ireo teratany vahiny no tena manao azy. Mpivady am-polony isan’andro no tonga manatona an’i Jules, lehilahy iray manan-talenta manokana amin’ny fikarakarana izany etsy Anosimasina Itaosy.

Betsaka ireo vehivavy tsy afa-po amin’ny haben’ny filahian’ny vadiny, hoy izy.  Manjary velom-panahiana ny lahy vokatr’izany ka voatery mitady hevitra hitazonana ilay fifankatiavana ao an-tokantrano. Misy hatrany amin’ny 14 sm mantsy izany raha 18 sm no tena manara-penitra. Hatrateo dia ireo lehilahy latsaky ny 40 taona no tena manao azy io tonga manatona an’i Jules. Ombam-bady mihitsy ny lehilahy mandritra izany, misy mandeha irery koa ny sasany. Ao anatin’ny iray volana no hikarakaran’i Jules izany. Otra no hampiasainy izay hatao in-droa isan’andro miampy tambavy sotroina. Tsy mahazo miray amin’ny vadiny ny lehilahy amin’ny fotoana hanombohana ny fikarakarana izay manodidina ny 5 andro eo ho eo. Tsy mety intsony kosa anefa ny fikarakarana ho an’ireo lehilahy efa mihoatra ny 60 taona na koa ireo lehilahy manana toe-batana vao kasihina dia mihenjana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT