Actualités

Fanalana ny fako eto Antananarivo Efa vitan’ny RF2 ny andraikitry ny kaominina


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Mitohy hatrany ny fanilihan’ny fitondram-panjakana andraikitra amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao manoloana ny asa fanadiovan-tanàna.

 

 Nitondra fanazavana mifandraika amin’izay omaly ny dokotera Herivola Durand Derlys, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny BMH Isotry. Nambarany  fa miainga eny ifotony ny fanadiovana ny tanàna hiantsorohan’ny kaominina. Lohalaharana ny fokontany  izay tsy maintsy  manadio ny manodidina azy rehetra amin’ny  alalan’ny RF2 (Rafitra Fahadiovana sy Fidiovana). Ny tokantrano  tsirairay no mandoa vola amin’ny fanatanterahana ny asa,  hoy hatrany izy ka anjaran’ny RF2 ny mandroaka ny fako mankany amin’ny bakan-jaoridira ary an’ny SAMVA amin’izay ny manary azy avy eo. Hatreto, fokontany 80 eto an-drenivohitra no efa misy io rafitra io, fiaraha-miasa miaraka amin’ny “Care International”. Ho an’ireo tokantrano tsy mety handray anjara amin’ny asa fanadiovan-tanàna dia nambarany fa anjarany izay. Ny tsirairay mantsy no tokony ho tonga saina amin’ny asa fanadiovana ny tanàna na dia amin’ny tsy fanariana fako etsy sy eroa fotsiny aza. Nisy ny asa fanadiovana ny tsenan’Anosibe notanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT