Tsy raikitra ny sabotsy teo ny fanalana ireo mpianatra tao amin’ny Campus oniversiten’i Barikadimy, na efa namoaka fanambarana mikasika izany aza ny fiadidian’ny oniversiten’i Toamasina, ary nampahafantarina ireo manampahefana sy ny governementa ary ny mpitandro ny filaminana izany
Ny antony dia noho ny fitoriana nataon’ireo mpianatra “tsy te-hiala” araka ny fanazavana teo anivon’ny fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana Toamasina, ka nampiantona aloha ilay naoty fanalana mpianatra noho ny lalàna manan-kery. Tao anatin’izay dia nanao antso avo koa ireo fikambanan’ny mpianatra “tsy te-hiala” ireo mba hiverenan’ny namany ny zoma teo, satria tsy eken’izy ireo ny fanalana azy ireo eo anivon’ny Campus-n’ny oniversite, noho ny filazan’izy ireo fa olana ho azy ireo ny famonjena ny faritra sy ny tanàna niaviany, ary ny filazan’izy ireo fa efa nantsoina hiatrika fianarana izy ireo ny volana aogositra teo. “Tsy maintsy atao ny fanadiovana sy fanatsarana ny Campus ny oniversite, satria efa tena sambany be loatra ary tsy manaraka ny fenitry ny fampianarana ambony intsony fa tena gaboraraka tanteraka”, hoy ny eo anivon’ny fiadidian’ny oniversiten’i Toamasina nefa ho fanajana ny tany tan-dalàna sy ny lalàna mifehy ny fitsarana amin’ny ady atao amin’ny fanjakana, dia miandry ny didy voalaza fa hivoaka ny alarobia izao ny ho tohin’ny fanalana ireo mpianatra. Nisy ny fijerena ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao Toamasina sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fiadidian’ny oniversite ny zava-misy ao Barikadimy omaly maraina ka io fidinana ifotony no hanaovana ny tetika rehetra ho fanalana ireo mpianatra aorian’ny alarobia izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.