Actualités

Fanalan-jaza Mpitsabo mpanampy iray nisy nitory tao Sambava


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2014

Ny zoma 22 aogositra lasa teo dia nisy nitory tamin'ny mpitandro ny filaminana ity mpiantsambo mpanampy izay miasa amin'ny tobim-pahasalamana iray ao Sambava noho ny fanaovany "Avortement" na fanalan-jaza tamina zazavavy kely 16 taona tratran'ny vohoka tsy nirina ka nitoe-jaza tany am-pianarana

. Raha ny fandehan’ny tantara dia hifarana ny taom-pianarana 2013-2014 teo iny no nahatsikaritra zavatra hafahafa teo amin ny fomba fihetsika andavanandron’ity zanany vavy ny renim-pianakaviana. Raha nofotorana lalina ny zanany dia nibaboka ary nilaza fa bevohoka. Tsy nionona tamin'izany fa nentina notsapaina tany amin’ny mpitsabo ka voamarina fa mitoe-jaza rakalakely. Nanomboka teo dia nanamboatra ny sain-janany ny reniny. Ny alakamisy 21 aogositra 2014 lasa teo anefa dia nitaraina ho nafana hoditra ilay tovovavy ary nandeha ra tsy an-kijanona. Taitra ny reniny ka nikoropaka. Tao anatin’ny fanaintainana nahazo azy no nifona teo anatrehan'ny reniny ilay tovovavy  fa nanao zavatra mamoafady ka nanaisotra ny zaza tao an-kibony izay efa ho 4 volana. Voatondro fa mpitsabo mpanampy iray izay manana ny lazany amin'ity fanalan-jaza ao Sambava ity no nahavanon-doza. Nametraka fitarainana momba io ny renim-pianakaviana io ny tompon-janaka ary notoriany niaraka taminy koa ilay lehilahy izay nahabevohoka ny zanany tsy mbola ampy taona sady mbola mpianatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT