Mirongatra indray ny fanjavonan’olona ao Antsirabe. Saika isan’andro dia ahenoana filazana olona very ny onja-peo any an-toerana. Ny manaitra ny saina dia ny fanamarihana fa saika olona salama saina ireo manjavona ireo ary ny tovolahy sy tovovavy ary ny olon-dehibe
. Ny 19 jona lasa teo dia zazavavy mpivarotra kafe sy mofo vao 16 taona no lasibatra vao maraina teo Avaratsena-Sabotsy. Voalaza fa nifoha maraina toy ny fanaony izy ary nirahina hamoha tsena tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nandeha irery izy ary nisy nirahina hanampy azy nitondra rano tamin’ny “bidon”. Io no nahatsikaritra fa nivoha ny tsena ary tsy hita ilay zazavavy. Tsy nanana olana tao an-trano ity zazavavy ity raha ny nambaran’ireo iray trano aminy ka tsy heverin’izy ireo hitsoaka na hanaraka olona. Efa natao ny fikarohana fa hatreto dia nambaran’ny fianakaviany fa tsy mbola hita izy. Miverina indray ve ny halatra olona sa karazana fanakorontanana saim-bahoaka indray ity raharaha ity ? Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha amin’izao fotoana ka ho hita eo ny tohiny.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.