Actualités

Fanakorontanana lanonana Enin-dahy no nosamborina tany Toamasina


  • Talata 27 Jona 2023

Tovolahy miisa 06, 14 ka hatramin'ny 20 taona no nosamborin’ny Polisy miasa ao Toamasina ny alin’ny 25 Jona teo tokony tamin'ny 09 ora sy sasany rehefa nanakorontana nitora-bato mpijery lanonana.

Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena nanomboka tamin'ny 21 Jona teo izay natao teo amin'ny place ritz dia naharay fitarainana ireo polisy niasa teny an-toerana fa misy andian-jatovo manakorontana sy mitoraka amin'ny vato isan-kariva. Ny alin'ny 25 jona dia nitsirika ireo adian-jatovo ireo ny Polisy. Tsikaritr'izy ireo anefa ireto farany nandritra izany ka nitsoaka nandositra izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana noho izany ka tratra tsy lavitra teo avokoa izy 05 lahy. Rehefa nohamarinina ny taonan' izy ireo dia 14 taona no zandriny indrindra raha 20 taona no zokiny indrindra izay nilaza fa agent de sécurité. Hiakatra fampanoavana anio izy ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy nanakorontanana mpijery lanonana tao Toamasina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT