Actualités

Fanakorontanana fampiharana didy Voatonotonona i Pety Rakotoniaina…


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Nogiazana ny entan'ny tranombarotra Toky etsy Ampasambazaha Fianarantsoa vokatry ny fitoriana nataon'ny Societé NOSIMA SARL,

 

 

 ny zoma lasa teo. Ho fampiharana ny didim-pitsarana dia nidina nanao “saisie” ireo entam-barotra voaodinkodina, izay mitentina eo amin` ny 1,2 miliara ariary, ny vaditany. Voasakana avy hatrany  anefa ary nisy ny fanositosehana ireo iraka mampihatra lalàna na dia manana tararasy mazava hahafahany manao ny asany. Raikitra ny savorovoro tamin'ny fanatanterahana ny fanagiazana. Horakoraka, sy ny fifamaliana izay tonga hatrany amin` ny fifampikasihan-tanana. Tonga teny an-toerana moa ny Ben'ny tanàna lefitra, niangavy mba hanajanonana aloha ny fanagiazana sy mba hisian'ny filaminana. Tsy nanaiky anefa ilay vaditany ka niantso an-tarobia ihany koa Ramatoa Ben'ny tanàna. Andaniny ireo ao amin' ity tranombarotra ity dia nanambara fa tsy azo ekena izao zava-misy izao. Efa nisy, hoy izy ireo, ny didim-pitsarana nivoaka nanome rariny azy ireo. Gaga indray anefa izy ireo fa tonga indray ny fanagiazana. Ankilany, ny vaditany dia nanambara fa didy avy amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany aty Antananarivo no tanterahan'izy ireo, ary manaraka ny fepetra rehetra. Araka ny loharanom-baovao, dia maro ireo tompon’andraikim-panjakana no tafiditra amin` ity raharaha ity. Misy “assistant parlemantaire” izay mialokaloka hatrany anatin ny fandikan-dalana noho izy ireo milaza ho tsimatimanota. Voatonotonona matetika ihany koa ny anaran’ny solombavambahoaka teo aloha, Atoa  Pety Rakotoniaina izay voalaza fa ao ambadikin`ireo andian'olona manakorontana ity fampiharana ny didim-pitsarana tokony natao tamin` ny zoma lasa teo. Tafiditra hatramin` ny ben'ny tanàna sy ny solombavambahoaka ao Fianarantsoa na dia tsy tokony hisy hidiran'izy ireo aza ny raharaha. Marihana fa efa naiditra am-ponja tamin` ity raharaha ity ny mpiasan` ilay orinasa voadinkodina entana sy ilay “assistant parlemantaire” sy ny vadiny. Telo andro taorian`izay anefa dia nivoaka ny fonja. Manoloana ny fanakanana fampiharana lalàna tahaka izao dia miantso ny tompon’andraikitra ireo voakasiky ny raharaha mba hijery akaiky ny tranga tahaka izao. Ny tompon'ny orinasa izay voakasiky ny fanodikondinana entana rahateo tsy hanaiky fa hampiakatra ny raharaha.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT