Actualités

Fanakorontanana ao Mahajanga Tsy handefitra ny Emmo-reg


  • Talata 05 Aogositra 2014

Fandravana sy fahapotehina fananan’olona maro no niseho taorian’ny fidinana an-dalambe nataon’ireo mpianatra ny oniversite Mahajanga omaly. Manoloana izay indrindra dia milaza ny tsy handefitra ho an’ireo izay manakorontana sy mihoa-pefy ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Emmo-Reg

Tsy maintsy andraisana fepetra ireo izay minia manao io fanakorontana io ary atolotra ny fitsarana, hoy ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Boeny ny Kolonely Rabearison Charles raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety izy ireo ny tolakandron’ny alatsinainy io hatrany. Betsaka ireo entan’ireo mpivarotra no tsy mbola hita hatramin’ny tontolo andro nisehoan’ny hetsika. Ireo mpivarotra kosa anefa dia nilaza fa tsy hanaiky an’ireo fananany simba sy very. Nisy ny fivorian’ireo fikambanan’ny mpivarotra mba hilazana amin’ny mpitondra fanjakana ny tentim-bidin’ireo entana voaroba. Nilaza hatrany anefa izy ireo fa tsy hanaiky raha tsy voasolo ny entana very satria maro amin’izy ireo no maka antoka vola amin’ny orinasa mpampindram-bola ka tsy maintsy averina io vola io ary ny varotra no hahafahana  mamerina izay notrosaina. Omaly hariva dia efa nivory ary nikasa ny hanafika ireo mpianatra ao Ambondrona ireo mpivarotra voaroba ao Mahajanga. Miparitaka manerana ny tanàna mba hisoroka ny mety ho fihoaram-pefy sy ny fifandonana noho izany ireo mpitandro ny filaminana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT