Fanakonana ny resaka gidro sy sokatra naondrana

Andrasana ny fandrendrehana saim-bahoaka manaraka…


  • Talata 07 Mey 2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

hoy ny mpanara-baovao, ho fanakonana ny resaka gidro sy sokatra naondrana tany Azia farany teo. Tsiahivina fohy moa izany fa sokatra miisa 1076 sy gidro na Aye aye miisa 48 niondrana an-tsokosoko izay tany Thailand vao tra-tehaka indray no nahoraka teto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro. Efa nandalo teto daholo ireo raharaha heverina ho mamoha henatra na «scandale» maro samihafa tahaka ny raharaha fahita lavitra fisaka na «écran plat» tao amin’ny minisiteran’ny atitany, ny raharaha vatomamy na «bonbon sucette» tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny raharaha volamena milanja 73,5kg, ny volamena 48kg naha voatonotonona ny anaran’ny minisitry ny fitsarana teo aloha izay tany Kaomoro koa vao hita ary tsy fantatra hatramin’izao no niafarany. Ny volamena nivadika vy tao amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany izay nifandimbiasan’ny minisitra teo aloha, Fidiniavo Ravokatra, sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, notantanana sy ny maro hafa koa teo dia iny indray izany izao ny resaka sokatra sy gidro izay heverina fa isan’ny harem-pirenena hamantaran’izao tontolo izao an’izany Madagasikara izany. Ny nahagaga tamin’ireo voalaza rehetra teo aloha ireo dia saingy nahoraka herinandro na herinandro vitsivitsy hatrany dia avy eo toy ny nanjavonjavona fotsiny teny hatrany. Takon’ny resaka minisitra nanana tantara tamina mpanakanto, ny resaka famadihana ny hiram-pitolomana fahiny, resaka mahatsikaiky samihafa. Hatramin’ny resaka maha frantsay tanteraka tsy manana zom-pirenena malagasy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, intsony aza moa takona toy izany rehetra izany ihany koa. Andrasana indray, araka izany, amin’ity manaraka ity hoe mbola ho takon’ny inona indray izany ity tranga naha menatra teo imason’izao tontolo izao manaraka ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT