Fanajana ny zon’olombelona

Lavitry ny kitay ny afo ho an’i Madagasikara…


  • Talata 12 Desambra 2023

Nankalazaina omaly 11 desambra 2023 ny fahatsiarovana ny faha-74 taona

ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, izay teraka tamin’ny 1948, nifandraika tamin’ny famaranana ny ady lehibe faharoa. Ho an’ny teto Madagasikara, dia tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka no nanamarihana izany. Isan’ny niatrika izany ny Solontena Maharitry ny Firenena Mikambana Issa Sanogo izay naneho fa tena zava-dehibe satria ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana dia maneho fa misedra fanamby maro izao tontolo izao, ka raha miraviravy tànana dia lasa mihemotra eo anatrehan’ny tsy fanajana ny demokrasia, fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny fahalalahana izay miharatsy,… Mahakasika izao tontolo izay ny fanamby ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara izay nanasonia ny fanambarana ofisialy momba ny zon’olombelona, ary nampidirina tao anatin’ny lalàmpanorenana, hoy ny fanehoan-keviny. Niantso ny mpisehatra rehetra na ny manam-pahefana na ireo firaisamonimpirenena na ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny tenany mba hiara-hisalahy hanatratra ny fanamby hametrahana amin’ny hasiny ny zon’olombelona ny tenany, izay nampahatsiahy fa Nateraka hitovy zo, samy manan-tsaina, ka tokony hifampitondra am-pirahalahiana ny rehetra. Raha hatao indray mijery, mbola lavitry ny kitay ny afo ho an’ny eto Madagasikara raha fanajana ny zon’olombelona izany. Miaina ao anatin’ny herisetra, fisamborana tsy ara-drariny, fonja feno hipoka, fiainana tsizarizary, tsy fanjarian-tsakafo, fampianarana tsizarizary, fanenjehana sy fanagadrana tsy ara-drariny, fanjakan’ny kolikoly, ny kely tsy mba mamindro ataon’ny mpitondra, fanitsakitsahana ny zo sivily sy politika,… Naneho moa ny Filohan’ny CNIDH Atoa Seth Andriamarohasina fa tsy mionona amin’ny zavatra hita maso, fa fikambanana zo maromaro : fitoviana manoloana ny fitsarana, mbola tsy voatsara mbola tsy meloka, zo iombonana tokony hitoviana,… Ohatra hafa azo raisina ny fampianarana, fiarovana ny mpanjifa, tontolo iainana,… izay tokony ho ao anatin’ny politikam-panjakana. Mifamatotra ny zon’olombelona sy ny fampandrosoana ary ny filaminana, tsy maintsy hatsahatra ny herisetra miteraka fisaraham-bazana, ary manana andraikitra hampananja ny zon’olombelona ny isam-batan’olona mba ahafahana mametraka tontolo vaovao sy mahafinaritra, raha ny nivoitra tao anatin’ny fanamarihana omaly tetsy amin’ny Canal Olympia. Mbola mila ezaka i Madagasikara !
Toky R



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT