FANAJANA NY ZON’NY ANKIZY ANY ATSIMO

Mitety faritra ny PPE sy ny Bloco Malagasy


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Mbola tena tsy voahaja ny zon’ny ankizy eto amintsika. Hita amin’ny sehatra maro izany toy ny tsy fahafahan’ireo

zaza Malagasy marobe mianatra intsony fa miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany…Anisan’ny tena ahitana betsaka izany ny any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny. Mba ho fampivondronana ny hery amin’ny ezaka iombonana hanentanana ny rehetra momba ny zon'ny ankizy sy hanohanana ireo fianakaviana marefo ao Morombe dia niainga omaly tao Toliara hamita iraka any Morombe ny Plateforme de la société civile Pour l'Enfance Tuléar-Madagascar (PPE) sy ny Bloco Malagasy ao amin’ny Centre d’Accompagnement Socio-Educatif et Musical (CASEM). Tanjon’ny roa tonta ny hitondra ny anjara birikiny sy hanohanana ireo ankizy mba handrenesana ny feony sy hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo. Betsaka loatra amin’izy ireo mantsy no efa miady amin’ny fiainana sahady raha mbola tokony ho adidin’ny Ray aman-dReniny.
Pati
Legende : Ny Bloco Malagasy niainga tao Toliara omaly Talata !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT