Nanafatrafatra ireo mpikamban’ny holafitry ny mpisolovava tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Anosy omaly ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, mba hanaja ny etika sy deontolojia eo am-panatanterahana ny asan’izy ireo.
Omaly moa no nanavao ny fianianany indray ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, Hubert Raharison, izay lany fanintelony indray. Manahirana eto amin’ny firenena io fanajana etika sy deontolojia io, hoy ny filoha, satria fandinihan-tena no atao ao anatiny. Aza mijery ny hafa, hoy izy, fa ny ny tena aloha Tsy ny lalàna na rafitra no olana eto fa olona. Mila olona mijoro amin’ny fahamarinana ity firenena ity, hoy hatrany ny filoha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.