Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),
fa miahiahy tanteraka eo anatrehan’ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Arphine Helisoa Tonian’ny famoahana ny Gazety Ny Valosoa Vaovao. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy, dia nolazaina ho naniratsira ny filoha sy nitarika ny olona hankahala ny Filoham-pirenena, izay adika ho fanohintohinana ny filaminam-bahoaka izy. Navadiky ny fampanovana any amin’ny fampiharana ny fehezan-dalàna famaizana araka ny andininy faha-91 ilay ambara fa hadisoana sy hanenjehana ilay mpanao gazety, ary indrindra ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny 4 aprily, izay tsy fantatra mazava akory ny fotoana hitsarana, araka ny fanazavan’ny mpisolovava hatrany. Nanomboka ny taona 2016 anefa, nisian’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny haino vaky jery izay ao anatin’ny fanavaozana amin’izao fotoana izao, dia nesorina ny fanagadrana ny mpanao gazety mahakasika ny fahadisoana amin’ny asa fanaovan-gazety, hoy ny UPF. Ankoatra izay, ireo mpahay lalàna ihany koa dia nisafidy ny hanatsahatra ny resaka fanagadrana ao anatin’ny lalàna mifehy ny « cybercriminalité » amin’ny heloka fanalam-baraka sy fanompana. Nisy filazan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa tsy manana karatra maha mpanao gazety matihanina i Arphine Helisoa, tsy mpanao gazety, ary tsy afaka misitraka ny lalàna mifehy ny haino vaky jery. Amin’ny maha Talen’ny famoahana gazety iray izay mivoaka ara-dalàna, ankoatra ny taorian’ny 21 martsa noho ny fanapahan-kevitry ny fanjakana amin’ny fihibohana, dia notsindrian’ny UPF fa ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) aza dia manampy sy niaro azy amin’ny maha mpanao gazety azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.